Fametrahana sy fanapariahana ny PLF2022 : Fanamarihana sy Fitakiana avy amin’ny Firaisamonim-pirenena

Fametrahana sy fanapariahana ny PLF2022 : Fanamarihana sy Fitakiana avy amin’ny Firaisamonim-pirenena

Ny Fehezan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana « LOLF » laharana 2004-007 ny 26 Jolay 2004 mamaritra ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana dia manambara fa, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hoan’ny taona hoavy, miaraka amin’ireo tatitra sy tovana isan-tsokajiny araka ny Andininy faha 44, dia tokony ho voapetraka sy ho voaparitaka farafahatarany ny 30 oktobra ny taona mialoha (N-1) ny hanatanterahana ny fampiasam-bola.

Noho izany, tsy azo atao hoe voapetraka ny PLF raha tsy hita ao avokoa :

●     Ny volavolan dalana mifehy ny tetibola

●     Ireo tovana telo  (tome 1, tome 2 sy tome 3)

Izahay Firaisamonim-pirenena dia nankasitraka ireo ezaka efa nataon’ny MEF amin’ny fampitam-baovao.

Maro ireo fanambarana efa nisy:

●     Ny 20 Oktobra 2021 momba ny fametrahana ny PLF teo anivon’ny filankevitry ny minisitra

●     Ny 28 Oktobra 22021, fanambarana momba ny :

○     Fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra ny PLF

○     Fametrahana ny votoatin-dalàna « corps de Loi » teo anivon’ireo rafitra mpanao lalàna anakiroa (Antenimeran-doholona sy Antenimeram-pirenena)

○     Fahataran’ny fametrahana ny PLF amin’ny endriny feno nohon’ny fitarozahan’ny fitanan’ny Ministera izany

Hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy ary tsy mbola hitan’ny Firaisamonim-pirenena ny fanambarana ho fantatry ny rehetra ny fametrahan’ny Fanjakana ny PLF amin’ny endriny feno.

Ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Vaomiera  misahana ny Fitantanam-bola sy ny Tetibolam-panjakana eo anivon ‘ny Antenimeram-pirenena ny 09 Novambra 2021 izay nilaza fa efa voapetraka teo anivon’izany rafitra izany ny PLF tamin’ny 29 Oktobra 2021,   sy ny fitantanam-bola, izay nanamarina fa misy ny fahatarana amin’ny fametrahana ny PLF amin’ny endriny feno. Gaga ihany izahay amin’ireo mpanao gazety namoaka ny vaovao momba izany fanambarana izany noho ny tsy fanaovana fanamarinana izany teo anivon’ny firaisamonim-pirenena mba tsy hampandiso ny fihevitry ny olom-pirenena.

Tianay ho marihina ihany koa fa hatramin’ny nandraisan’ity fitondram-panjakana ity ny fahefana dia tsy mbola voapetraka ara-potoana mihitsy ny PLF, ary lasa fahazarana ny tsy fanajana ny Zon’ny olom-pirenena, ny Lalàna sy ireo rafitra mpanao Lalàna voafidy (Solombavambahoaka sy Loholona).

Malemy sy tsy sahy mitaky ny zony akory ireo rafitra mpanao Lalàna. Ny maha iray loko azy ireo amin’ny akapobeny dia tsy manamarina ny fahanginany, ary tsy miantoka ny fisian’ny fanjakana tsara tantana na ny demokrasy na koa ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka izany ; kanefa ireo no tanjona voalohany ho an’ny Solombavambahoaka. Izany dia nitarika hatrany ny fandaniana ny PLF ao anatin’ny amehana sy tsy fisian’ny ady hevitra, na koa ny fandaniana izany tamin’ny alalan’ny didim-panjakana avy amin’ny Filoha.

Ireo solombavambahoaka dia olom-boafidin’ny olom-pirenena. Ny olom-boafidy sy ireo tompon’andraikim-panjakana dia tsy to teny sy tsy manana ny lanjany raha tsy misy ny tamberin’andraikitra ataony amin’ny olom-pirenena. Ny fanapariahana ny PLF miaraka amin’ny fotoana hametrahana azy eny anivon’ny rafitra mpanao lalàna, dia anisan’ireo haitao iraisam-pirenena, ary mitaky izany hatrany ny firaisamonimpirenena.

Raha toa ka efa nisy ny fametrahana ny PLF, moa ve tsy tokony ho adidin’ny solombavambahoaka ny mampahafantatra izany amin’ny olom-pirenena sy ny mitaky amin’ny MEF ny fanapariahana azy ?

Fotoana izao, ho fanajana sy fampiharana ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary koa ny fampandraisana anjara ny olom pirenena amin’ny raharaham-panjakana.

Koa antitraterina hatrany ireo fitakiana mahakasika ny:

·         Fampiharan’ny Governemanta/MEF ny fametrahana sy fanapariahana ny PLF amin’ny endriny feno ao anatin’ny fotoana fohy,

·         Firaviravian-tanan’ireo rafitra mpanao lalàna roa tonta (Antenimeran-doholona Antenimeram-pirenena) amin’ny tokony fanasaziana ireo fomba fanao tsy mifanaraka amin’ny lalàna, ka manohitohina sy maniratsira ny maha zavadehibe  ny antom-pisian’izy ireo,

·         Fanajan’ireo olom-boafidy sy olom-panjakana tsy misy fepetra ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra manoloana ny olom-pirenena.

Antananarivo 11 Novambra 2021

Manao sonia :

  • CCOC
  • ONG IVORARY
  • Hetsika ROHY
  • TI-IM
  • ONG TOLOTSOA
  • MSIS-Tatao
  • ONG SAHA

Laisser un commentaire