RY GOVERNEMANTA MALAGASY, AMPY IZAY NY TSY FANARAHAN-DALANA MIVERIMBERINA MOMBA NY FAHATARANA AMIN’NY FAMETRAHANA NY VOLAVOLAN-DALANA MAHAKASIKA NY TETIBOLA

RY GOVERNEMANTA MALAGASY, AMPY IZAY NY TSY FANARAHAN-DALANA MIVERIMBERINA MOMBA NY FAHATARANA AMIN’NY FAMETRAHANA NY VOLAVOLAN-DALANA MAHAKASIKA NY TETIBOLA

Araky ny voasoratra ao amin’ny andiany faha -11 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny olompirenena dia « Manan-jo hahalala ny vaovao.” Noho izany zo fototra izany, ny firaisamonim-pirenena izay misehatra eo anivon’ny fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny fangaharaharan’ny fitatanam-bolampanjakana, dia mitaky ny famoahana malaky ny antok’hevitra mahakasik’izany. Noho izany indrindra dia mampatsiahy ny Volavolan-dalàna andiany faha-46 mahakasika ny fandrafetana ny tetibola (LOLF) izahay, izay manambara fa ny « Volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ny taona ho avy, voakasik’izany ihany koa ireo tovana izay voalazan’ny andiany faha-44, dia tokony voapetraka sy voaparitaka mialohan’ny andron’ny 30 oktobra ny taona hitsahana ». Mbola miverina hatrany anefa ny fahatarana, koa manaitra ny rehetra izahay firaisamonim-pirenena manoloana an’izao tsy fampiharana ny lalàna miverimberina izao.
Mankasitraka ny ezaka rehetra ataon’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny Fitatanam-bola amin’ny fampahafantarana sy fampahalalam-baovao isan-karazany izay ataony izahay. Mampatsiahy anefa fa ny fifanakalozana sy ny fifampidinahana hiarahan’ireo mpiantsehatra rehetra no tena zava-dehibe hoentina manatsara ny adihevitra, ka mba ho teti-bola hamaly ny filan’ny olompirenena marina no ho laniana sy ho ampiharina, mba hisian’ny fampandrosoana ara-drariny sy mirindra. Ho zary fomba fanao mihitsy ny fifanakalozan-kevitra sy fifampidinihana.
Ny firaisamonim-pirenena dia manaitra hatrany fa :
* Mila mitady vahaolana maharitra ahafahany mametraka ara-potoana ny PLF ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny governemanta mba hisorohana ny fifandirana miverimberina eo amin’ny mpisehatra rehetra ;
* Tena zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministera isan-tsokajiny mandritra ireo adihevitra karakarain’ny firaisamonim-pirenena mahakasika ny Lalàna mifehy ny Tetibola izay manome lanja sy manana ny fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainan’ny olompirenena tsirairay.
Hajao ny lalàna
Omeo fotoana handinihana ny tetibola ny solombavambahoaka
Aok’izay ny fandaniana maimaika ny lalàna
Tsy misy fandaniana tsy ialohavan’ny adihevitra

MBA HISY FIANTRAIKANY AMIN’NY FIAINAN’NY OLOMPIRENENA NY ARIARY TSIRAIRAY MIVOAKA

Laisser un commentaire