NY FAHALALAHANA HITENY SY HANEHO HEVITRA: ZO ANTOKY NY FIAINANTSIKA

NY FAHALALAHANA HITENY SY HANEHO HEVITRA: ZO ANTOKY NY FIAINANTSIKA

Ny 21 Jolay 2022, nisy tanora olompirenena naneho ny tsy fankasitrahany ny Fitondrana ankehitriny ka nanao fihetsika “ankihibe ambany” rehefa nandalo ireo fiara mitandahatra mitondra ny Filoham-pirenena. Izany dia nitarika ny fisamborana ary nampidirina am-ponja noho ny “fanalam-baraka amin’ny alalan’ny fihetsika ny Filohan’ny Repoblika”. Ireo Tompon’andraikitra nanontanian’ny Mpanao gazety dia nilaza fa nibahana ireo fiara nitondra ny Filoha ary nanao vava mamoafady koa izy.

Te-hahafantatra ny fijerin’ny roa tonta izahay ka nanontany ny fianakaviana akaikin’ity olompirenena ity ary izy ireo kosa dia nilaza fa naka sisiny toy ny fiara rehetra, tsy nibahana ireo fiara nitondra ny filoha ary tsy nanao teny mamoafady izy fa nanaiky kosa fa nanao ilay fihetsika “ankihibe ambany”. Izany dia hanehoany ny tsy hafaliany rehefa avy naka ary nahatsapa ny fiatraikan’ilay fanondrotana mihoampampana ny vidin’ny solika.

Raha navoaka ary atao “ambany fanaraha-mason’ny fitsarana” izy ny alatsinainy lasa teo, dia mbola anio Alakamisy 28 Jolay 2022 ny fotoam-pitsarana azy. IZahay dia mampahatsiahy hatrany fa :

•          Manana zo haneho ny tsy tsy fankasitrahany ny Fitondrana sy ny Governemanta mijoro ny olon-drehetra ary izany dia tokony tsy haha-voasazy velively.

•          Ny Fanjakana no tokony ho mpiaro voalohany ary miantoka izany Fahalalahana hiteny sy haneho hevitra ho an’ny olompirenena rehetra izany.

Raha ampahatsiahivina foana ary ekena fa tokony hajaina ny lalàna velona, ny olompirenena dia mila koa porofo fa ny Fanjakana dia manaiky sy manaja ny zony. Manamafy izahay ho an’ny Fahefana Mpitsara izay tokony hahaleotena mba tsy hitanila sy hiangatra amin’ny Fitsarana ity tanora olompirenena ity.    

Antananarivo, faha 28 Jolay 2022

AVG (Alliance Voahary Gasy)

BIMTT

CAPROCORNUS

CCOC Madagascar (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes)

CEDII (Centre D’echange De Documentation D’information Inter-institutionnelles)

CODE Menabe 

COJEAA

CRADES

CROPH AA

DRV (Dinika sy Rindra ho an’ny Vehivavy)

FAMELOGNO

FANOITRA

FBMM (Fikambanam-Behivavy Malagasy Mihoatra)

FFM Malagasy Mahomby 

Fiantso Madagascar

FONIALA

FTMF (Fikambanan’ny Tanora Mandala ny Fahamarinana)

GROUPE MANOVA

GTZ (Gny To tsy mba Zainy)

HAJAVAO

HERY MIRAY

HETSIKA ROHY

Ilontsera

JAI

Madagasikara Voakajy

MIRANGA

MMTM

MONEPT (MOuvement National pour l’Education Pour Tous)

MSIS-tatao (Multi-Sector Information Service/Tohana sy ainga ho an’ny tambazotran’ny olompirenena)

Observatoire de la Jeunesse

Observatoire National des Droits Humains

Observatoires Régionaux des Droits Humains (Sava, Diana, Boeny, Atsinanana, Analamanga, Haute Matsiatra, Atsimo Andrefana, Anosy, Menabe)

ONG Felana

ONG Hintsy

ONG Ravintsara

ONG SAHA (Soa Afafy Hampahomby ny ho Avy)

OPTA

PACA

PFNOSCM /VOIFIRAISANA  (Plate-forme Nationale des Organisations de la Société Civile de Madagascar)

PFPH/MAD (Plateforme des Fédérations des Personnes Handicapés de Madagascar)

PFROSC /VOIFIRAISANA  Analamanga

PROSC  Fitovinany

PROSC  Haute Matsiatra

PROSC  Sava

PROSC  Vatovavy

PROSC Alaotra Mangoro

PROSC Amoron’I Mania

PROSC Analanjirofo

PROSC Androy

PROSC Anosy

PROSC Atsimo Andrefana

PROSC Atsimo Atsinanana

PROSC Atsinanana

PROSC Betsiboka

PROSC Boeny

PROSC Bongolava

PROSC Diana

PROSC FIVE Menabe

PROSC Itasy

PROSC Sofia

PROSC Vakinakaratra

PROSCI Ihorombe

SAF FJKM

SIF (Sehatra Iombonana ho an’ny Fananan-tany)

TAFATAFA

Tafo Mihaavo

TAMAMPIRAPI/TVMA

TARATRA Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG)

Laisser un commentaire