Fotoana tsara indrindra andraisana andraikitra ny fahatanorana

Fotoana tsara indrindra andraisana andraikitra ny fahatanorana

Tanora roalahy avy ao amin’ny faritra SAVA no mitantara ny asa firotsahana an-tsitrapo nataony. Nidina ifotony teny amin’ny fokontany izy ireo ary namporisika ny olona manana filàna mitovy mba hivondrona anaty kôlejy iray. Ohatra : kôlejin’ny zokiolona, kôlejin’ny tanora, kôlejin’ny vehivavy…

Mizara ny dingana narahiny sy ny vokatra azony Jao Honoré avy amin’ny Fikambanan’ny Tanora ao Ampahana (FTA), Antalaha sy Raunald Jean-Pierre avy amin’ny fikambanana SAVA Reporters.

Jao honoré avy amin’ny Fikambanan’ny Tanora ao Ampahana (FTA), Antalaha.

Maromaro ny tanora ao amin’ny fikambanana misy anay. Nifanampy izahay tamin’ny fikarakarana rehetra : nifampiresaka tamin’ny sefom-pokontany, nanazava taminy ny tanjon’ny fanentanana tianay atao ary namaritra daty. Ny sefom-pokontany avy eo no nanentana sy namory ny olona ka nahafahanay niroso tamin’ny fanentanana.

Nandresy lahatra izay tonga nanatrika teo izahay fa tsy vitan’olon-tokana ny fangatahana raha eo amin’ny fokontany fa mila mitambatra. Ohatra hoe ny mpanjono jiaby miaraka mangataka satria mamana filàna mitovy.

Niresaka mikasika ny fananganana ny « Structure Locale de Concertation » (SLC) sy ny antom-pisiany eo anivon’ny kaominina ihany koa izahay, nanazava fa afaka mandefa solon-tena handrafitra ny SLC ny kolejy tsirairay. Nahafaly ny olona ny nahafantatra fa ho tonga any amin’ny kaominina ny raha marary azy ireo eny amin’ny fokontany eny.

Kôlejy karazany telo no voatsanganay : kôlejin’ny vehivavy, ny tanora ary ny beantitra.

Ny sembana tsy tena mbola misy. Nezahanay nazavaina anefa fa tokony hivondrona anaty kôlejy iray izy ireo ahafahana mijery ny filàny. Ny fanentanana moa izany dia hoe ny olona sembana tsy tokony ahilikilika kanefa misy fotoana ry zareo sembana indray no manilika tena ka izay no ampirisihana azy handray andraikitra. Misy karazana fokontany koa izao, mpanjono no ankabeazan’ny olona ao aminy ary ampirisihanay izy ireo hanangana kôlejy mikasika an’io jono io. Fa ny managno raha moa tsy mora dia tsy mbola vita ny fananganana ilay kôlejy.

Raunald Jean-Pierre, avy amin'ny fikambanana SAVA Reporters.

Nahatsikaritra izahay tamin’ny voalohany fa sarotsarotra ny mamory olona raha aty amin’ny toerana misy anay aty Sambava. Efa vizaka mitady vola ny olona ka tsy dia voasarika amin’ny fivoriana matetika loatra. Nanatona ny ben’ny tanàna izahay nandresy lahatra azy hampivory ny sefom-pokontany rehetra ao amin’ny kaominina. Izy ireny manko no mahalala bebe kokoa ny fikambanana sy ny olona misy ao amin’ny fokontany misy azy ka nampandraiketina ny famoriana olona. Ny fokontany no namone daty ahafahana manao ny fanentanana satria aty mbola toerana manaja andro fady. Natao tamin’ny fotoana tsy iasan’ny olona ny asa : andro Alakamisy sy Alahady ohatra ho an’ny tao Ambotrakongona, maraina be tamin’ny dimy ora, alohan’ny nandehan’ny olona niasa kosa ny tao Antanifotsy II.

Natahotra ny olona tamin’ny voalohany satria noheverin’izy ireo fa resaka politika ilay fanentanana. Nandresy lahatra izahay fa tsy misy resaka politika ilay izy ary fikambanan’olon-tsotra mitady fampandrosoana sy fanovana rafitra izahay. Rehefa nazava ny resaka dia niroso tamin’ny fanazavana ny SLC izahay. Tena nahaliana ny olona io satria zava-baovao be tamin’izy ireo ilay izy. Samy naneho ny hetahetam-pony daholo na ny tanora na ny vehivavy na ny beantitra. Nazavainay anefa fa tsy izahay no mandray ny hetaheta sy ny fitarainana fa izy solontena voafidin’izy ireo no hitondra izany any amin’ny kaominina.

Misy ny kôlejy telo tafatsanganay : kôlejin’ny olona manana fahasembanana, ny beantitra, ny vehivavy ary ny tanora.

Laisser un commentaire