Nanomboka ny 18 Janoary 2022 teo dia miafina anaty ala ny ankamaroan’ny olona ao anatin’ny fokontany 10 ao amin’ny distrikan’ny Mampikony sy Port Bergé izay mampiasa ny tany atao hoe “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41”: Ampampamena (Kaominina Mampikony 2), Tsimijaly (Kaominina Ambohitoaka – Distrika Mampikony), Ampandroangisa (Kaominina Ambohitoaka – Distrika Mampikony), Tsararivotra (Kaominina Ambohitoaka – Distrika Mampikony), Andranomadio (Kaominina Ankiririky – Distrika Mampikony), Sarodrano (Kaominina Ankiririky – Distrika Mampikony), Antsiraka (Kaominina Ampasimatera – Distrika Mampikony), Antsaronala (Kaominina Amparihibe – Distrika Port-Bergé), Antanakova (Kaominina Port-bergé 2, Distrika Port-Bergé), Ankijanimanga (Kaominina Ambohitoaka – Distrika Mampikony).
Voahosihosy ny zo maha-olona –Tao anatin’izay fitsoahana nohon’ny fanenjehana ataon’ny zandary izay dia nisy vehivavy 01 teraka kambana 02 tsy tonga volana (07 volana), efa tafakatra 39 no naiditra amponja vonjy maika, betsaka ny ankizy tsy afaka nianatra fa manaraka ny Raiamandreniny miafina any anaty ala, eo amin’ny fanamborana dia misy ny daroka sy vono atao amin’ireo voasambotra mba hitoroka ireo namany. Nialohan’izao fitsoahana izao dia nosimbaina ny voly nataon’ireo Fokonolona ireo, nisy ny fahamaizan’ny betsaka tamin’ireo trakitera 07 nalefa nanimba ny voly nataon’ny Fokonolona.
Tsy mazava ny fomba nahazoan’ny orinasa COTONA Real Estate ny tany nisoratra tamin’ny voanjo izay efa nampiasain’ny Fokonolona efa hatramin’ny fanjanahan-tany –Ny fototry ny olana dia ny ady tany misy eo amin’ny Fokonolona ao anatin’ireo fokontany 10 voalaza etsy ambony etsy, amin’ny andaniny, ary ny orinasa “COTONA Real Estate” izay voalaza fa ao anatin’ny vondron’ny orinasan’ny SOCOTA, amin’ny ankilany. Ny tany izay iadivana, izay manana velarana 2.787 hektara, tany ampiandohany dia nisoratra tamin’ny voanjo antsoina hoe Wickert Michel, vita titra tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany. Marihina fa ny Fokonolona teo antoerana sy ny taranany dia nanohy ny fanajariana ny tany na tamin’ny andro mbola naha teo io voanjo io, na izy efa lasa ka hatramin’ny taona 2021 lasa teo. Teo amin’ny Fokonolona sy ny Orinasa “COTONA Real Estate” dia nisy ny ady nifanaovan’izy ireo teo anivon’ny Fitsarana tamin’ny ambaratonga rehetra. Ny votoatin’ny ady raha fehezina dia ny eo amin’ny tsy faneken’ny fokonolona ny fahamarinam-pototry ny fomba nahazoan’ny COTONA Real Estate nanoratra aminy ny tany. Raha vakiana ny voalaza ao anatin’ireo “certificats de situation juridique » -n’ireo titre amin’ny anaran’io Orinasa COTONA Real Estate io dia manambara fa efa lasany ny tany koa niova anarana sy laharana toy ny 990-DT, ny 13-DT ary ny 12-DT. Dia voalaza fa azon’io orinasa io tamin’ny alalan’ny acte larahana 6096, tamin’ny 31/07/2007, ny tany mirefy 297ha 62a 50 sa (TN 990-DT), 290 ha 47 a 50sa (TN 13-DT) sy 219ha 45a 00sa (TN12-DT) izay nalaina tao anatin’ilay tany voalaza ery amboalohany atao hoe “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41”. Nisy ny fitoriana nataon’ny Fokonolona teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Mampikony nangataka ny fanafoanana ny titra 990-DT, dia namoaka didy sava-ravina io Fitsarana io ny faha 22/05/2018 (laharana 64 tamin’ny 22/05/2018, ny dossier laharana 21-RG/18) izay nametram-panontaniana ny sampandraharan’ny fananan-tany sy nandidy azy hanome ny “fond de dossier de mutation initiale et successive de la propriété LOT DE COLONISATION TF 21 et 22-BV”. Hatreto anefa dia mbola tsy nomen’ny sampandraharahan’ny fananantany ao Mampikony ny Fitsarana ireo antontan-taratasy ireo, efa ho 04 taona lasa izao.
Ny Fitsarana dia nanome alalana hatrany ny fokonolona hampiasa ny tany –Ankoatran’io ady iray io dia niady hatrany koa ny Fokonolona teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga rehetra mba hanohy hamboly hatrany eo amin’ireo tany zay efa novoleny manoloana ny fanelingelenana sy fanimbana ny volin’izy ireo ataon’ny solontenan’ity orinasa COTONA Real Estate ity. Efa nanomboka tany amin’ny taona 2012 izany ady izany, ary ny Fitsarana dia nanome alalana hatrany ny fokonolona hamboly ny tany. Ary vao tsy ela fa, ny 07Aprily 2021, dia namoaka didy ny Fitsarana ambony tao Mahajanga, izay mitondra ny laharana faha 187, izay manome alalana ny Fokonolona ao Andranomadio, Antsiraka, Tsararivotra, Tsimijaly, Sarodrano, Ampampamena ary ao Ampandroangisa hanohy hamboly ao amin’ny “LOT DE COLONISATION PORT-BERGE” mandrapahavitan’ny fombafomba fangatahana tany izay efa nataon’izy ireo.
Ny OMC ao amin’i Distrikan’i Mampikony dia tsy nanaraka ny didim-pitsarana fa naka fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany –Ny 15 et 28 aprily 2021, araka ny fitanana an-tsoratra izay nataon’ny OMC-Distrikan’ny Mampikony sy ny OMC élargi Faritra SOFIA, izay nifantoka tamin’ny fandaminana ny ady tany, ny Arrêt-n’ny Fitsarana Ambony, laharana 187, tamin’ny 07/04/2021, dia tsy didy raikitra araka ny voalazan’ny tonian’ny mpampanoa lalàna, ary mbola nilaza koa izy fa io didy io dia mandrara ny “squatters” tsy hisitraka ny fambolena ao amin’ny tanin’ny SOCOTA. Ny fanapahan-kevitra noraisin’io OMC io araka ny voalaza ao anatin’ny fitanana an-tsoratra dia ny fanatsaharana ny fiasana ny tany ao anatin’ny toerana rehetra voalazan’io Arrêt io.
Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe moa ve ny OMC izany afaka mandà sy manova ny votoatin’ny didim-pitsaràn’ny Fitsarana ambony? Raha vakiana ny didim-pitsarana laharana 187, tamin’ny 07/04/2021,dia nampiasa soamantsara ny voambolana “Fokonolona” izy. Koa raha toy izany ny fomba fiasan’ny OMC dia inona tokoa moa ny filaminana hanjary raha ny didim-pitsarana aza adikany vilana sy tsy ampihariny. Aiza lay tany tan-dalàna?
Inoana fa niainga tamin’io fanapahan-kevitry ny OMC tamin’ny 15/04/2021 io no nahatonga ny mpitandro ny filaminana (zandary), miaraka amin’ny traktera hanimba ny voly tao amin’ireo fokontany 10 voalaza etsy ambony etsy, ny faha 07 Desambra 2021. Marihana fa fito (07) ny isan’ny traktera nidina teny an-toerana raha araka ny fanisan’ny fokonolona azy, koa ny traktera tsirairay dia nisy zandary telo lahy nirongy basy, koa ny roa mitodika any aloha, ary ny iray mitodika any aoriana. Ireo traktera ireo dia arahan’ireo andian’olona izay karamain’ny orinasa COTONA Real Estate, izay tsy iza fa ampahan’olona avy ao amin’ireo fokontany 10 ireo ihany. Teo ampanatanterahana ny fanimbana ny voly dia may nisy nandoro ny ankamaroan’ireo traktera ireo, ary ny fokonolona niharan’ny fahasimbana indray aza no naka rano namonoana ny afo.
Tena miaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ve ny mpitandro ny filaminana (Zandary)? – Afaka iray volana sy tapany taty aorian’ny fanimbana ny voly sy nahamaizan’ireo traktera ireo, ny faha 18/01/2022, dia tonga ny zandary miisa 120 mirongy fiadiana nanao sava hao hisambotra ireo olona tao amin’ireo fokontony 10 ireo hanagadra ireo zay mety nandoro ny traktera.
- Manoloana izany tranga rehetra izany dia hita fa ny fototry ny olana dia ny fomba nanaovana ny famindrana ny titra tamin’ny orinasa COTONA Real Estate. Maninona ny sampandraharahan’ny fananantany ao Mampikony no tsy mamoaka ireo antontan-taratasy maneho marina ny fomba nahazoan’io orinasa io ny tany? Azo inoana ve fa velona Ingahy Wickert Michel tamin’ny taona 2007 koa nanao ny taratasy fivarotana tamin’ny COTONA Real Estate, sa ny taranany ve? Raha toa ka nisy izany ary ara-dalàna dia maninona tsy avoaka ho fanta-bahoaka mba hampilamina ny raharaha? Marihana fa vazaha frantsay Wickert Michel koa tsy maintsy hizaka ny zom-pirenena frantsay izany ny mpandova azy izay tsy afaka misolo tena azy hanao ny famindrana? Dia iza izany no nanao ilay acte larahana 6096 tamin’ny 31/07/2007 voalaza etsy ambony, izay namindra ny tany tamin’ny COTONA Real Estate?
- Eo amin’ny fomba fitandrovana ny filaminana manoloana ity raharaha ity: moa ve ara-dalàna ny fandefasana zandary manimba voly? Avy aiza ny didim-pitsarana maniraka ireo traktera ireo nanimba ny voly ny andron’ny faha 07/12/2021? Raha nisy izany didy izany dia didim-pitsarana laharana faha firy satria ny laharana faha 187, tamin’ny 07/05/2021, dia mamela ny Fokonolona hanohy amin’ny fampiasana ny tany?
Araka ny fehezan-dalàna famaizana dia heloka avokoa na ny fanimbana voly na ny fanimbana zavatr’olona, fa ny fanimbana voly dia voasokajy ho heloka be vava. Inoanay araka ny lojikan’ny fomba famoahana didy eo anivon’ny fitsarana fa tsy hisy didim-pitsarana eo amin’ny ambaratonga voalohany hanova ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambony na didim-pitsarana samihafa amin’ny raharaha efa voatsara. Noho izany dia tsy rariny ary tsy manaraka ny lalàna ny fihetsika nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ireo Fokonolona amin’ireo fokontany folo any Mampikony sy Port Bergé ireo. Koa mila hatsahatra avy hatrany izany fanenjehana izany.
- Tsy notanterahin’Andriamatoa Filoham-pirenena ny fampanantenana nataony tamin’ny Fokonolon’i Mampikony amin’ny hanomezany azy ny tany misoratra amin’ny voanjo dia ny“Lot de colonisation Port Bergé, lot 41– Araka ny voalazan’ireo solon-tenam-pokonolona dia nampanantena Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra fa raha vao lany izy, dia baiko fotsiny no hataony dia hatolotra ny Fokonolona io tany “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41”io. Indrisy anefa fa ny mitsimbadika amin’izany no zava-misy fa sazy sy vono no setriny.
Noho izany, izahay fikambanana miara-manasonia ity fanambaràna ity dia
- Mitodika manokana amin’Andriamatoa Filoham-pirenena mba handraisany andraikitra amin’ity raharaha ity, izy rahateo dia nanome toky ireo vahoaka amin’ireo fokontany ireo fa hanome azy ny tany raha vao lany,
- Mitaky ny hampitsaharana avy hatrany ny fanenjehana ireo Fokonolona ireo,
- Mitaky ny hampitàn’ny sampandraharahan’ny fananantany ao Mampikony avy hatrany any amin’ny Fitsaràna ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ny nahazoan’ny orinasa COTONA titra teo amin’ny tany voakasika mba ahafahana mahalala ny marina momba ireo titra vaovao sy manamafy ny zon’ny mponina eo amin’ny tany,
- Mangataka ny hampiharana ny lalàna sy ny fanjakàna tan-dalàna mikasika ny heloka sy tsy mety rehetra nataon’ny zandary sy mpitandro filaminana tamin’ity adin-tany ity,
- Mangataka ny hamerenana amin’ireo Fokonolona namboly azy ny vary efa tokony ho jinjaina any amin’ny volana Martsa, izay tombanan’izy ireo any amin’ny 5.000 Taonina any ho any, izay novolena tao aorian’ny fanimbana nataon’ny traktera sy ireo tsy voakitiky ny fanapotehana.
23 febroary 2022
Mpanao sonia:
- Association MMST
- AVG: Alliance Voahary Gasy
- BIMTT
- CAFF Fianarantsoa
- Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
- CPM: Coalition paysanne de Madagascar
- CRAAD-OI
- FARM Madagascar
- FI.MPA.MI.HI.: Fikambanan’ny mpamboly miray hina ao Mampikony sy Port Bergé
- FIFATA: Fikambanana fampivoarana tantsaha
- FIVOI Menabe: Fiharoan’ny Vondron’Olona Ifotony eto Menabe
- FTMF
- FVTM: Federasionan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara
- GTZ: Gny to tsy Mba Zainy
- Hetsika Rohy
- MSIS-Tatao
- NY TANINTSIKA
- Observatoara momban’ny tanora
- ONG FIANTSO Madagascar
- ONG ILONTSERA
- ONG Malagasy Youth Education
- ONG ODIMA
- ONG Ravintsara
- ONG TSINJO AINA MAHAJANGA
- OSCAR
- PSBED
- RESEAU SOA (Syndicat des Organisations Agricoles)
- SAF-FJKM
- SEKRIMA: SENDIKA KRISTIANINA MALAGASY
- SIF: Sehatra iombonana hoan’ny Fananantany
- TAMAMPIRAPI
- TI-MG: Transparency International – Initiative Madagascar
- TNMF: Tambazotra Nasionaly Mpiantsehatra Fifidianana
- TVMA