[Version Malagasy] Fanambarana an-gazety ataon’ny Firaisamonim-pirenena manoloana ny tranga mamoehatra nandritra ny fanadinana Baccalauréat 2023

[Version Malagasy] Fanambarana an-gazety ataon’ny Firaisamonim-pirenena manoloana ny tranga mamoehatra nandritra ny fanadinana Baccalauréat 2023

Antananarivo – 21 Jolay 2023
ROHY – Ambatonakanga

Manoloana ny toe-javatra mampalahelo zary efa miverimberina eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana malagasy tato anatin’ny taona vitsivitsy, ny firaisamonimpirenena dia tsy sasatra nymanaitra ny fitondram-panjakana malagasy ny amin’ny hanaovana ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara laharam-pahamehana.

Ekena fa nisy ny fepetra noraisin’ny tompon’andraiki-panjakana , saingy fepetra peta-toko hatrany izany, kanefa, ny olana izay mianjady amin’ny sehatry ny fanabeazana ankehitriny dia mitaky fepetra maharitra, fanavaozan-drafitra lalina mitondra mankany amin’ny vahaolana fa tsy vonjy rano vaky fotsiny.

Ny olana fototra amin’ny sehatry ny fanabeazana dia ny tsy fametraha azy ho ambonin-javatra indrindra. Taratra amin’ireo asa izay napetraka ho laharampahamehana ka vita sy notanterahina izany. Ambonin’izany ny tsy fahampian’ny tetibola natokana ho an’ny fanabeazana. Manampy trotraka ireo ny tsy fahatomombanan’ny drafi-pitantanana ampihari’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Minisitera misahana ny fanabeazana, raha tsy hilaza hafa tsy:

• Fahataran’ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo miasa ho fampandehanana ny fanadinana
(hatramin’ny 2020);
• Faharatsian’ny ny fandaminana ny fanadinam-panjakana amin’ny ankapobeny.

Mikasika ny Baccalauréat manokana dia ny 11 jolay, izany hoe herinandro mialoha ny datin’ny fanadinana, vao nanaovana fiantsoana maimaika ho an’izay afaka hanao lehiben’ny foibem-panadinana sy ho mpanara-maso. Vokany : tsy fahampian’ny mpikarakara sy mpanara-maso ao amin’ny ivon-toeram-panadinana sy ny fisafotofotoan’ny fomba fiasa natao tefy maika

Nanaraka izany ny fiparitahan’ny laza adina ny Tantara sy ny Jeografia alohan’ny fanadinana ho an’ny sokajy : A1-A2 – C – D izay nitaky ny famoahana ny laza adina faharoa ; Nandany fotoana be ny fanamaroana izany teny amin’ny foibem-panadinana, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana. Izany fahataran’ny fanapahan-kevitra sy fitavozavozana izany dia nahatonga ny fahataran’ny fanadinana hitarazoka hatramin’ny 8 ora alina ho an’ny mpiadina sasany.

Manginy fotsiny, ny tsy fandriampahalemana, ny haizina noho ny fahatapahan’ny jiro izay nanery ny ray aman-dreny hitondra labozia mba hahafahan’ny mpianatra manohy ny fanadinana, izay tena tsy azo ekena amin’ny maha fanadinana lehibe ny baccalauréat.

Ho fitsinjovana ny ho avin’ny zaza malagasy sy ny ho avin’ny firenena, izahay Firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fanabeazana dia manantitrantitra ny tsy maintsy hametrahana hatrany ho laharampahamehana ny sehatry ny fanabeazana satria mendrika ny hahazo ny tsara indrindra ny zaza malagasy. Fanajana ny andraikitra nekeny ho an’izay manandrify izany, fanajana ny zo sy ny hasina, ary fanomezan-danja ny tamberin’andraikitra ary fametrahana ny mangarahara.


Noho izany, manaingany fitondram-panjakana hanao izay fomba rehetra hamahana ny fototry ny olana sy hisian’ny fitantanana tsara ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Miatomboka amin’ny fanaovana fanadihadiana lalina mba hamantarana ireo tompon’antoka tamin’ity heloka bevava ity sy ny fanomezana ny sazy hentitra mifanaraka amin’izany.

Antananarivo, le 21 jolay 2023.

Ireo firaisamonim-pirenena manao sonia :

  • CCOC (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes)
  • DRV (Dinika sy Rindra ho an’ny Vehivavy)
  • JCI Iarivo
  • ONG Ivorary
  • Mouvement ROHY
  • FAFED Madagascar
  • JAI Association
  • Transparency International Initiative Madagascar
  • PACA
  • MoNEPT
  • ONG Ravintsara
  • KOZAMA
  • Projet SCORE
  • Aide et Action devient Action Education
  • Education Network
  • MSIS TATAO
  • ONG Fiantso Madagascar

Laisser un commentaire