Tsy ekena ny fanaovana tsindry ireo Fokonolona sy ireo VOI izay manao ny aina tsy ho zavatra ho fiarovana ny Tontolo iainana ho tombotsoa iombonana, tsy rariny ny fitsaràna ny raharaha tontolo iainana.

Tsy ekena ny fanaovana tsindry ireo Fokonolona sy ireo VOI izay manao ny aina tsy ho zavatra ho fiarovana ny Tontolo iainana ho tombotsoa iombonana, tsy rariny ny fitsaràna ny raharaha tontolo iainana.

Izahay Firaisamonimpirenena izay mikambana ao amin’ny Hetsika ROHY dia manao izao fanambarana izao :

Ny Fiarovana ny Tontolo Iainana dia andraikitry ny rehetra ary ny Fanjakana dia manome lanja ireo Fokonolona izay solotenan’ireo Vondron’olona Ifotony amin’ny alalany lalàna 96-025 izay manamafy ny fandraisan’ireo Olona eny Ifotony amin’ny fitantanana maharitra ireo Harena Voajanahary.

Ka manoloana ny zava-misy ao amin’ny Faritr’Ala tantanin’ny VOI Tsarafara ao Andriankely Fokontany Manandriana, Kaominina Ambohimiadana, Distrika Andramasina, Faritra Analamanga izay faritr’Ala miantoka ny Rano sotroin’ny Renivohitra Antananarivo ary ny VOI Tsarafara no mitantanana izany nandritra ny 20 taona latsaka nanomboka ny taona 2004 dia indro ankehitriny fa lasan’olona tsotra.

Tsara ho marihina fa efa resy in-telo io olona iray io ary in-telo nomena rariny ny VOI nandritra ny fitsarana natao tany Ambatolampy ary misaotra ireo mpiasan’ny Fitsarana sy ireo Sampan-draharaham-panjakana maromaro toy ny DREDD, ny Fananan-tany, ny Mpitandro filaminana, ny Distrika ary ny Kaominina …sns, nefa rehefa nampiakatra ny raharaha aty Antananarivo ilay olona midongy an’ilay tany dia resy ireo Fokonolona/VOI, miala avy hatrany amin’ilay toerana ary mandoa onitra 10 tapitrisa araka ny didy navoakan’ny Fitsarana ny 17 Aogositra 2022.

Manoloana io zava-misy io dia manaitra antsika Fitondram-panjakana tandrify izahay Firaisamonimpirenena tarihin’ny Hetsika ROHY sy ny mpiara-dia aminy, an’isany izany ny TAFOMIHAAVO, Alliance Voahary Gasy,….sns, izay mitarika ny loha-hevitra Tontolo Iainana, ary eo ihany koa ireo mpamatsy vola izay tsy nikely soroka nitondra fanampina ara-bola sy ara-teknika ho entina miaro izany toerana sarobidy sy saro-pady izany, satria :

  • miantoka ny ho avin’ny Renivohitra sy ireo mponina ao aminy
  • io toerana io no ivon’ny loharano ivoahan’ny rano mamatsy ny aty Antanananrivo.

Hamafisina ihany koa fa araka ny lalàna ny toerana iray, raha nahazo famindrampitantanana, dia azo lazaina fa efa misy manajary, ary ireo Fokonolona ireo, amin’alalany fahazoandalana avy amin’ny MEDD, no miaro sy manajary izany tany izany. Efa betsaka ireo asa fanajariana natao tamin’izany toerana izany nanomboka tamin’ny taona 2002 ka hatramin’izao, toy ny fambolena ireo karazana hazo amin’ny velarana maro toy ny : Kininina (Eucalyptus) , Kafe Robusta, sy ireo hazo zana-tany maro samihafa. Dia izay no nahatonga ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy nanome ny fanohizana ny fitantanana ho an’ny 10 taona manaraka indray nanomboka ny volana Desambra 2021 noho ireo fahombiazana ireo.

Satria tsy ekenay ny fanaovana tsindry amin’ireo fokonolona sy ireo VOI izay manao ny aina tsy ho zavatra ho fiarovana ny Tontolo iainana izao ho tombotsoa iombonana, dia mangataka ny avy ao amin’ny Fitsarana sy ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra mba hampitsahatra ny teritery samihafa izay atao amin’izy ireo.

Tsara hamafisina anefa fa tena manao ny aina tsy ho zavatra ireo Fokonolona / VOI ireo. Ohatra azo lazaina amin’izany ny olana nisy izay fery mbola mipetraka eo anivony mpiaro ny Tontolo iainana, izay tsy mbola miravona, ary manome vahana ireo mpanao tsindry, toy ny tranga natao tamin’Itompokolahy RAKOTOARISOA Henri, Filohan’ny VOI nonina tao Ankazondandy izay novonoin’ireo tsy mahatahotody.

Antananarivo, faha 30 Aogositra 2022

#Tafomihaavo

#Voaharygasy

#Rohy

Laisser un commentaire