Dissémination Résultats d'observation

FANAMBARANA HO AN’NY MPANAO GAZETY

Fanapariahana ny vokatry ny fizohiana sy fanaraha-maso ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana tao amin’ny faritra : Analamanga, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Andrefana, Anosy, Androy ary Menabe

 

Ny tetikasa SCORE izay vatsian’ny Education à Voix Haute/OXFAM, dia natao indrindra hanatsarana ny tolotra amin’ny fanabeazana fototra amin’ny sekolim-panjakana, amin’ny alalan’ny fampiasana ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny entimanana, ary ny fampihenana ny kolikoly sy ny fanodinam-bola eo amin’ny sehatry  ny fanabeazana.

Eo amin’ny sehatra nasionaly, fikambanana 04 avy amin’ny firaisamonim-pirenena no mitarika ny fanatanterahana ny tetikasa SCORE: MSIS-Tatao, ONG Ravintsara, MonEPT ary DRV miaraka amin’ny tan-tsoroka izay omen’ny mpamakafaka sy mpikirakira tarehimarika izay mikirakira ireo antontam-pahalalana sy tahirin-kevitra voaangona isan’ambaratonga.

Eo amin’ny sehatra isam-paritra sy eo an-toerana, 355 Mpanara-maso, mpikambana mavitrika anaty fikambanana firaisamonim-pirenena isan’ambaratongany izay mirotsaka an-tsitrapo no mitondra ny fanaraha-maso eny ifotony izay arahan’ny ekipa foibe akaiky. 

Ny tetikasa SCORE dia miasa sy manohana ireo firaisamonim-pirenena sy ny FEFFI eo amin’ny faritra 7 : ANALAMANGA, VATOVAVY, FITOVINANY, ATSIMO ANDREFANA, ANOSY, ANDROY, MENABE mba handray andraikitra amin’ny fanaraha-maso sy fanamafisana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana fototra ka hihatsara koa ny kalitaon’ny tolotra omen’ny sekolim-panjakana eto Madagasikara.

Nandritra ny telo volana no nanaovana ny fanarahamaso voalohany, nanomboka ny volana aprily ka hatramin’ny volana jolay 2022 teo anivon’ny 326 amin’ny faritra 7, ahitana EPP 64, CEG 13 ho an’Analamanga; 31 EPP, 7 CEG ho an’ny Androy; 30 EPP, 8 CEG ho an’Anosy; 49 EPP, 11 CEG ho an’ny Atsimo Andrefana; 32 EPP, 7 CEG ho an’ny Fitovinany; 32 EPP, 10 CEG ny Menabe ary 25 ny EPP, 7 CEG ny an’i Vatovavy

Mikasika ny fitaovana hanaraha-maso, ny ekipan’ny tetikasa SCORE dia miara-miasa akaiky amin’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN); nametraka fitaovana mifototra amin’ny rafitra scoring (avy amin’ny 1 (ratsy) ka hatramin’ny 5 (tsara)) voarafitra amin’ny lohahevitra 9 manaraka ireto : Fitantanana ny FEFFI, Fahafehezana ny fitaovam-pitantanana, Loharanom-bola sy fanatanterahana ny PEC na ny Tetikasa an-tSekoly Ifanekena, Fitantanana ny Cantine Scolaire, Fahombiazana, Fampiatiana, Fandraisana anjaran’nympisehatra, Mangarahara sy tamberinandraikitra, Ady amin’ny kolikoly

Ireo Tahirin-kevitra voaangon’ireo mpanaramaso izay ahitana PF na Point Focal (06), RSOR na Tomponandraikitry ny fanaraha-maso eo amin’ny Faritra (06), Tomponandraikitry ny distrika na TAD (21), Tomponandraikitry ny Kaomina na TAK (79) ary tomponandraikitry ny sekoly (243) dia kirakirain’ny ekipa foibe sy nadika anaty fafana elektronika.

Mifanaraka amin’ny vokatry ny fanarahamaso dia manome tolo-kevitra ny tetikasa SCORE mba hamahana ny olana sedrain’ny FEFFI, mba ho fanatsarana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana  ifotony na eo anivon’ny sekoly, na ny kominina na ny faritra na aty amin’ny nasionaly.

  • Fanapariahana amin’ny fomba tsotra, amin’ny teny malagasy ny didim-panjakana 2015 707 momba ny FEFFI : Amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanentanana/fivoriambem-pokonolona ataon’ny mpiantsehatra eny ifotony toy ny firaisamonim-pirenena sy ny olobe to-teny ary hamafisin’ireo haino vaky jery sy ny tambajotra sosialy samihafa. Ny fahafantarana ny asa sy ny andraikitry ny FEFFI dia mbola ambany dia ambany na eo anivon’ny mpikamba na ireo mpiantsehatra rehetra voakasika : ny RAD ny mpianatra, ny mpampianatra eo anivon’ny FEFFI.

  

  • Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny FEFFI : Fivoriambe, ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra sy ny komity mpanara-maso ao anatin’ny dingana mampiaty eo amin’ny fiaraha-monina : Araka ny tsapa dia misedra olana manoloana ny fandaminana, ny fitadiavana mpamatsy, ny fidirana anaty tambazotra ary ny fanaovana haitaky ny FEFFI. Izany indrindra no mahazava-dehibe ny fanamafisana fahaiza-manao an’izy ireo mahakasika ireo singa ireo
  • Manao haitaky amin’ny fiakaran’ny tetibola natokana ho an’ny FEFFI : Ho fanantanterahana hetsika voasoratra ao anatin’ny tetikasa TESI izay marolafy, ny Fanjakana dia tokony mampiakatra ny caisse école. Nisongadina fa ny taom-pianarana 2021-2022, 20.25% ny sekoly narahana maso no tsy nisitraka ny caisse école, 63.5% nahazo latsaky ny 1 500 000Ar ary 16.26% nahazo maherin’ny 1 500 000Ar
  • Manao haitaky ho an’ny fitsinjarana fanampiana natokana ho an’ny fanantanterahana ny cantine scolaires : Araka ny tsapa dia tsy ampy ny isan’ny toeram-pisakafoanana any an-tsekoly (12%) kanefa izy io dia zavadehibe manoloana ny fiadiana amin’ny fialana an-tsekoly sy ny fahombiazan’ny fanabeazana fototra indrindra any ambanivohitra, sy ny faritra saro-dàlana.
  • Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra ao anatin’ny fotoana voafaritra, anisan’izany ny mpampianatra FRAM (voaray na tsia). Ny tahan’ny tsy fahafaham-po amin’ny kalitaon’ny fanabeazana dia ambony eo amin’ny 45%, Tsy azo ihodivirana ny fanamafisana tsy tapaka ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra.
  • Mametraka tambazotra FEFFI/ Firaisamonim-pirenena ary manao haitaky ho an’ny fampiakarana ny tetibolan’ny fanabeazana fototra : 38% ny FEFFI voara-maso no nilaza ny tsy afapo mahakasika ny kalitaon’ny fitaovana ilaina hoentina mampianatra ary 13% no afapo amin’ny kalitaon’ny fotodrafitrasa sekoly.
  • Manentana ireo FEFFI amin’ny fahombiazan’ny fanabeazana ho an’ny rehetra. Ny fandraisana andraikitra amin’ny ady amin’ny fialana an-tsekoly sy ny famerenana ny ankizilahy sy ankizivavy any an-tsekoly dia mbola tena ambany (8%), indrindra ny fiheverana ireo vondrona voahilikilika (2.46%)
  • Fanairana sy fanohanana ny FEFFI amin’ny lafiny TRS (fampiharana ny rafitra momba ny tatitra sy ny fifandraisana mifanaraka amin’izany) fanamafisana ny haitaky ny mangarahara sy ny tamberinandraikitra eo amin’ny fanabeazana fototra : Voamarika nandritra ny fanarahamaso ny tsy fahazotoan’ny mpikambana ao anatin’ny FEFFI sy ireo mpisehatra hafa te-hirotsaka amin’ny fanatsarana ny fanabeazana fototra. Ankoatra izay dia marihina fa tsy nanao tatitra matetika ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra (amin’ny alalan’ny AG sy ny petandrindrina, Cf. didim-panjakana 2015-707, and 9 sy art 16).
  • Mametraka rafitra miady amin’ny kolikoly, iraisan’ny rehetra sy azo itokisana, ary koa rafitra fanairana sy fitaraianana ho an’ny rehetra momba ny tsy fetezana na kolikoly ataon’ny tompon’andraikitra maro : Ny kolikoly sy ny fanodikodinana ny caisses écoles, ny fanararaotam-pahefana dia nisongadina nandritra ny fanarahamaso. Kanefa, ny Ray amandrenin’ny Mpianatra dia tsy sahy mitoroka eo anivon’ny rafitra miady amin’ny kolikoly ary matahotra ny fanerena sy fampitahorana.

Ny tetikasa SCORE, amin’ny alalan’ity fanambarana an-gazety ity, dia mampahafantatra ny besinimaro ireo tolo-kevitra heverina ho zava-dehibe amin’ny fampiroboroboana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fampielezana ny vokatry ny fandinihana voalohany.

« Olompirenena vonona sy manolo-tena ary mandray andraikitra amin’ny fitantanana tsara ny fanabeazana fototra »

 

Résultat d'observation ​

Dépliant