FITANTANANA ARA- BOLA  COVID-19 :TSY AFA-MANAMARINA NY REHETRA NY FAHAMEHANA

FITANTANANA ARA- BOLA COVID-19 :TSY AFA-MANAMARINA NY REHETRA NY FAHAMEHANA

Fampatsahivana ny zava-misy: Namoaka ny tatitry ny fitsirihana ny fitantanam-bola natokana hiadina  amin’ny Covid-19 izay nataon’ny fitsarana misahana ny kaonty teo amin’ny pejy Facebook ny Ministeran’ny fitsarana ny zoma 18 febroary 2022 lasa teo. Izany fampilazana tamin’ny tambajotra sosialy izany dia natao tao aorinan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika notanterahinan’ io fitsarana misahana ny kaonty io ny alarobia 16 febroary ary koa   ny fampahafantarana nataon’ny ministeran’ny fitsarana momban’ny fahavitan’ireo tati-pitsirihana miisa 4 izay io fitsarana ara-bola io ihany no nanao azy.

Izahay,mpikambana eto anivon’ny firaisamonim-pirenena,manao sonia ito filazana an-gazety ito dia maneho fankasitrahana ny fitsarana misahana ny kaonty tamin’ny kalitaon’ny tatitra sy ny ezaka  tsy fiandaniaina izay nasehony .Izao fampahafatarana sy tatitra ampahibemaso nataon’ny fitsarana  misahana ny kaonty izao dia dingana iray ho fampiroboroboana ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra eto Madagasikara.

Na izany aza, dia tsara ny mampatsiahy  antsika rehetra fa io tatitra natao io dia singa iray ihany amin’ireo tati-pitsirihana miisa efatra (4) novolavolain’ny fitsarana misahana ny kaonty,isan’izany ny fitsirihana ara-pitantanana, ara-bola, fampiharana ny drafitra ara-tsosialy, ary ny tsenam-baro-panjakana. Ny votoatin’ny tatitra voalohany dia mahafaly sy mahafa-po tokoa kanefa mandeha ila ary tsy ampy ihany izany raha toa ka tsy avoaka ny tatitra mahakasika ireo 3 ambiny voalaza etsy ambony ireo izay hany fepetra  hahafahana milaza fa feno tanteraka ny tatitry ny fitsirihana nataon’ny fitsarana misahana ny kaonty .

Ny zavatra tsikaritra: Na  dia mahafa-po aza ny kalitaon’ny tatitra natao dia maneho ny tsikaritra ny tsy fanajana ny fisaraham-pahefana. Tsara sy mendrika kokoa raha toa ka ny fitsarana misahana ny kaonty  no nomena ny fahefana manontolo nanao ny tatitra.

Ny tatitra voalohan’ny nataon’ny fitsarana misahana  ny kaonty dia nanapotsitra karazan-javatra tsy tomombana maromaro. Io tatitra io ihany koa dia mizara hevi-dehibe 5 mazava tsara :

Tsoan-kevitra 1: Ny lalana manan-kery mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana dia tsy mifanaraka amin’ny fifehezana ny hamehana toy ny valanaretina COVID19. Ireo fanovana sy fametrahana rafitra natao to ny CCO, ny « Task force » izay matetika tsy  misy lalàna mifehy akory, dia nampisy fisavorovoroana teo amin’ny lafiny ara-tetibola sy ara-bola.

Tsoan-kevitra 2:  Nibaribary ihany koa ny fisiana tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo tompon’andraikitra  ohatra amin’izany ny fampiasana miverimberina sy matetika loatra ravim-bola amin’ny lafiny fifampivarotana,ny tsy fahampiana na tsy fisiana mihitsy porofo mifandraika amin’izany,ny fitantanana na fitsabahana olona tsy voafaritra ny lalana hanao izany,ny fandoavam-bola tsy araky ny tokony ho izy,ny fandoavam-bola tsy misy fanamarinana amin’ny  fahavitan’ny asa natao.

Tsoan-kevitra 3: Ny fitantanana ny ady tamin’ny covid 19 dia nampiseho tsy fahaiza-mitantana tamin’ireo mpitondra .Na dia teo aza ny fisian’ny vola azo nampiasaina avy amin’ireo fidiram-bola anatiny na ny nomen’ireo mpiara miombon’antoka toy ny CatastropheDeferedDrawndown (Cat DDO izay mbola tsy nampiasaina hatreto) teo ihany koa ireo régies d’avance (fikirakiram-bola mialoha tsy manaraka ny fitsipika tokony hampiharina), ny fiadidina ny repoblika sy ny TASK FORCE izay nanome sy niantoka ny ampahany tamin’ireo fandaniana tamin’ny alalan’ny vola fiandry izay tsy nisy akory fanamarinana ny asa vita.

Tsoan-kevitra 4:  Ny fampiasana farany ireo famatsiam-bola ireo dia mampiseho ny tsy fitoaviam-pijery  amin’ireo zavatra heverina ho maika sy laharam-pahamehana. Ny fanampiana ireo sehatra tsy miankina izay  nijanona tamin’ ireo mpiara miasa amin’ny jirama ihany.

Tsoan-kevitra 5:  Ny manodidina ny fanamboarana ny CVO dia azo lazaina ho manjavozavo hatreto kanefa izany fanamboarana fanafody izany dia natao ho laharam-pahamehana  amin’ny dingana fizotry ny  teti-bola.

Ny fiadidiana ny repoblika dia mialokaloka foana amin’ny resaka hamehana rehefa namaly ireo lohahevitra notsongainan’ny fitsarana misahana ny kaonty.Raha toa ka fandraisana fanapahan-kevitra sy hetsika maika no nandrasan’ny vahoaka tamin’izy ireo,kanefa izany dia tsy afaka manamarina velively ny fitantanana tsy araky ny lalàna, tsy am-pahamarinana ny volam-panjakana.

Ny fampandehanana ny  komity mpitantana ny pmdu, izay tsy sasatra ny firaisamonim-pirenana no nitaky izany, dia tokony nahafahana nifehy ireo fihoaram-pefy tsikaritra ireo ary indrindra ihany koa nahafahana niara-nidinika izay tokony ho laharam-pahamehana.

Ny soso-kevitray : Noho ireo voalaza rehetra ireo dia mangataka izahay :

Ny hamoahanan’ny fitsarana misahana ny kaonty  ireo tatitra fitsirihana telo ambiny izay tsy mbola nasiam-panitsiana

Ny fanavaozana ho lalàna fehizoro fa tsy lalàna tsotra ilay lalàna 91-011 tamin’ny 11 jolay 1991 mifehy ny toe-javatra manokana,arahina fanovana ireo andian-dalàna manakery sy ireo rijan-tenin’ny didy aman-pitsipika izay hameno sy hanampy ireo lafiny rehetra amin’ny fepetra ara-pahasalamana ary indrindra amin’ny lafiny fanantaterahana ny fandaniam-bolam-panjakana

Ny fandraisana andraikitra sy ny fandrindrana ireo OCFP sy ireo fitsarana mahefa manodidina ny tsy fahatomombanana hitan’ny fitsarana misahana ny kaonty mba hahafahana manasazy ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra hita mba hifanindran-dalana amin’ny zavatra andrasan’ny vahoaka

Mba samy handray ny andraikiny araky ny tokony ho izy avy ireo mpisehatra rehetra ka amin’ny alalan’ny komity mpitantana ny PMDU no hahafahana hampiasa ny vola hiatrehana ny covid 19

Mangataka fangaraharahana bebe kokoa momba ny fanamboarana ny CVO ary ihany koa ny tatitra ara-bolan’ireo orinasa tafiditra amin’izany fanamboarana izany

Ny Fampiharana tsy misy fepetra ireo voalazan’ny andininy rehetra amin’ilay didim-panjakana namoronana ny petra-bola hiatrehana ny covid19

Mangataka ihany koa izahay ny fiaraha-mientana sy fanohananan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka rehetra mba ho mariky ny fanohananan’izy ireo ny tany tan-tandalàna,ny fahaiza-mitantanana ary ny fiarovana ny soa iombonana eto Madagasikara

Ireo firaisamonim-pirenena manao sonia ny fanambarana :

  • AVG
  • CCOC
  • Mouvement Rohy
  • MSIS Tatao
  • OIMP
  • ONG Hitsy
  • ONG Ivorary
  • ONG Ravintsara
  • ONG Tolotsoa
  • Transparency International – Initiative Madagascar (TI MG)
  • ONG SAHA

Laisser un commentaire