Aza enjehina fa arovy ireo mpampaneno lakolosy!

Aza enjehina fa arovy ireo mpampaneno lakolosy!

Izahay, fikambanan’ny firaisamponimpirenena manao sonia izao fanambarana izao, dia manohana an’i Ramasomanana Ravo Nambinina ary manao antso avo amin’ny manam-pahefana eo anivon’ny fanjakana mba hampitsahatra ny fanenjehana ireo mpampaneno lakolosy.

Fampatsiahivana ny zava-misy: voaenjika nohon’ny fametrahany fitoriana mikasika trangana kolikoly

Voarohirohy ho nanao heloka bevava i Ramasomanana Ravo Nambinina, mpiasa teo aloha teo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, rehefa avy nametraka fitoriana mikasika trangana kolikoly teo amin’io Ministera io, tao anatin’ny fitantanana ny ady amin’ny valanaretina covid-19. Tamin’ny volana mey izy no namoaka horonantsary tao amin’ny YouTube, sy ny tamba-jotra sosialy hafa, nanaovany fanambarana mikasika ny teti-dratsy sy fanodinkodinana volam-panjakana niseho tao amin’io Ministera io, izay hitany sy ananany porofo. Manoloana izany dia nametraka fitoriana teny anivon’ny Tendro iadivana amin’ny kolikoly (PAC) izy. Ireo fitorohana ireo dia nohamarinin’ny fanadihadianan’ny tambazotra MALINA navoakan’ny Transparency International – Initiative Madagascar tamin’ny faha-13 jiona 2021[1]. Taorian’io fitoriana io anefa dia nisesisesy ny fanenjehana azy. Ankehitriny dia voarohirohy ho mpanohitohina ny filaminam-bahoaka, mpamporisika ady politika sy fankahalana ny Governemanta ary amin’ny fandikan-dalàna i Ravo Nambinina Ramasomanana, araka ny andininy faha-89, 90 sy 91 amin’ny lalàna 84-001 tamin’ny 12 jona 1984, amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Nijoro ho mpitory azy ny Fanjakana malagasy.

Aoka ampiasaina hanenjehana ireo tena meloka ny rafitra famaizana fa tsy entina hampanginana indray ireo mpampaneno lakolosy

Mampanahy anay ity toe-draharaha ity, izay tsy vao voalohany izao, taorian’ny raharaha Raleva, Thomas, Razafindremaka, Razafimalala Clovis sy ireo hafa. Ilaina foana ve ny mampatsiahy fa mandray anjara akaiky amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana fitsarana marina eto amin’ny firenena ireny mpampaneno lakolosy sy mpiaro ny zon’olombelona ireny, ka manampy amin’ny fitadiavana ireo tena meloka amin’ny trangana kolikoly sy fanodinkodinana volam-panjakana? Manao antso avo amin’ny manam-pahefana eo anivon’ny fanjakana izahay mba hampitsahatra ny fampiasana ny fitsarana sy ny rafitra famaizana entina hampanginana ireo mpampaneno lakolosy.

Fitsarana mahaleo tena sy tsy mitanila, mpiaro ny zo fototra

Tsiahivina fa firenena demokratika sy mpanaja ny zon’olombelona i Madagasikara. Tandrovina amin’izany ny fahafahana maneho hevitra izay zo fototry ny tsirairay. Voaaron’io zo io ny fanaovana tatitr’ireo trangana kolikoly izay ananana porofo. Tokony haharay vaovao mahakasika izany rahateo ny vahoaka izay tena tompon’ny fahefana. Manohana ny taratasy misokatra, navoakan’ny Amnesty International izahay, izay manetsika ny Minisitry ny Fitsarana « handray andraikitra mba hampitsaharan’ireo manam-pahefana avy hatrany ny famaizana sy ny fanenjehana ilay mpanaitra, ary hiaro ireo mpanao fitoriana, mba tsy ho raisina toy ny mpanakorontana izy ireny amin’ny ampamoaka izay ataony.

Aoka hampaherezina ireo mpanaitra amin’ny alalan’ny fandaniana ilay volavolan-dalàna mikasika ny fiarovana ny mpiady ho an’ny zon’olombelona

Takianay ihany koa ny fandinihana sy fandaniana ilay volavolan-dalàna mikasika ny fiarovana ny mpiady ho an’ny zon’olombelona, izay tara ny fandrosoana azy ho dinihana eo anivon’ny Antenimiera, na dia efa naroso indroa teo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana aza izany tamin’ity taona ity. Tsiahivina fa efa nanaiky hanatanteraka izany i Madagasikara nandritra ny dingana fahatelo tamin’ny « Examen Périodique Universel » (2017-2022), ary nanambara koa fa « efa eo am-pandinihana ilay volavolan-dalàna mikasika ny fiarovana ny mpiady ho an’ny zon’olombelona ». Adidy aman’andraikitra ny fandaniana io lalàna io ary tokony ho tafiditra amin’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny, izay efa naneho ny fahavononany hirotsaka tanteraka amin’ny ady amin’ny kolikoly.

Antananarivo, faha-14 Novambra 2021

Ireo fiarahamonimpirenena manao sonia ny fanambarana :

– CCOC

– Divers’Unité

– Green N Kool

– Mouvement Rohy

– MSIS Tatao

– Observatoire SAFIDY

– OIMP

– ONG Hitsy

– ONG Ivorary

– ONG Ravintsara

– ONG Saha

– ONG Tolotsoa – Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG)


[1] « Centre de transplantation rénale : un projet de 800 millions Ar confié à…une société de nettoyage ? », un article du réseau MALINA, accessible sur https://malina.mg/fr/article/centre-de-transplantation-renale

Laisser un commentaire