NDRIANDAHY MAHAMOUDOU

NDRIANDAHY MAHAMOUDOU

Amin’izao fodiamandrin’i Mahamoudou Ndriandahy izao dia indreto misy namana mpiara-miasa taminy te haneho ny fahafantarany azy manokana.

Taona 2013 no nahalalako an’i Doudou voalohany tamin’ny nananganana ny PFNOSCM tany Tuléar, na ny Plateforme Nationale des Organisations de la Société Civiles à Madagascar. Mbola mpiasan’ny CRS izy tamin’izay fotoana izay fa nanohana ny hetsiky ny firaisamonimpirenena tamin’ny fametrahana ilay plateforme. Rehefa tsy tao amin’ny CRS intsony izy dia niditra ho mpisehatra amin’ny asan’ny firaisamonimpirenena ary nifanerasera matetika tany anatin’ny fivoriana samihafa izahay. Fa ny tena niarahana niasa akaiky tamin’i Doudou manokana dia nanomboka tamin’ilay fanarahamaso ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018. Doudou no coordonateur technique ary izaho no responsable technique-n’ny observatoire. Amin’ilay anarany hoe « Doux » izay dia olona tena tsotra, tsy dia tia mitabataba fa kosa olona mahitsy. Anisan’ny nampiavaka an’i Doudou raha ho ahy manokana dia ny maha Historien azy, rehefa manao adihevitra dia mampahatsiahy hatrany Doudou hoe « Tadidio fa nisy ny tantara » (pour la petite histoire) sady miomehy kely izy dia manao tsiahy kely dia izay vao manao ny famakafakana ny zavatra na hevitra iray. Tia misangisanfy ihany koa i Doudou. Ny « force » mampiavaka azy ihany koa dia ny resaka soratra. Manavanana azy ny manoratra na amin’ny teny malagasy io na amin’ny teny frantsay. Ao anatin’iny soratra iny no ahitana ilay hoe tena mahitsihitsy izay, ary tena tsy mitsitsy mihitsy rehefa manoratra. Any anatin’ny sorany matetika no tena ahitana ny fanehoan-kevitr’i Doudou. Tena force-ny goavana izay satria isika malagasy tsy dia manana talenta manoratra. Anisan’ny nitolona tao amin’ny firaisamonim-pirenena izy amin’ny ilay hoe mba hisian’ny firaisamonim-pirenena ekena teny eto amin’ny firenena. Aminy mantsy dia tokony hiasa ny firaisamonim-pirenena mba ahatonga ny vahoaka hisitraka ny zony sy ny andraikiny. Koa satria tomponandraikitra voalohany ny fanjakana hoy izy dia izay no antony tsy hitsitsiany fitenenana amin’izy ireo, indrindra moa rehefa misy zavatra hitany fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy.

Inona mety ho fahabangana ho an’ny firaisamonim-pirenena amin’izao fahalasanan’i Doudou izao ?

Ny fahabangana voalohany dia izay le hoe « hanoratra ilay fomba fijery ». Ny mimenomenona no mahavantana antsika malagasy, fa i Doudou kosa sady manoratra no mahasahy mamoaka iny sorany iny. Misy ihany ny olona manoratra fa olombitsy no mahita iny. Fa i Doudou dia mahay manararaotra ny fisian’ny tamban-jotra sosialy. Tamin’ny tsy mbola nisy an’ireo réseau ireny dia anisan’ny mampiavaka ny plate-forme ny fanehoan-kevitra any anatin’ny gazety. Izy ihany koa dia anisan’ireo olona antsoin’ny mpanao gazety raha misy fanehoan-kevitra raha tiana ho azo manoloana ny fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana.

RAZANAMAHEFA STELLA MARIE DESIREE

Directeur Exécutif CEDI Fianarantsoa

Mamoudou Ndriandahy dia tena andrarezina teo amin’ny fandraisan’andraikitra teo amin’ny firaisamonim-pirenena teto Madagasikara, eny hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ireo fivoriana iraisam-pirenena izay natrehiny. Izy dia tena mavitrika tokoa tamin’ny fandraisan’andraikitra teo amin’ny firaisamonim-pirenena ary tena nanana izay « fibre » amin’ny maha firaisamonim-pirenena azy izay izy. Ka tamin’izany no niarovany ny tombontsoan’ny firenena malagasy. Efa niara-niasa izahay indrindra tamin’ny fanombohan’ny fananganana ny firaisamonim-pirenena, dia ny hetsika ROHY sy ny fanamafisana orina ny fomba fiasan’ny Rohy. Tao anatin’izany ny fandrafetana ny firaisamonim-pirenena tamin’ny taona 2016-2017. Anisan’izany ny fananganana ny Sampana fanarahamaso ny fifidianana SAFIDY sy ny fanarahamaso ny fifidianana nifanesy nanomboka tamin’ny 2018 hatramin’ny 2020 teo izay niarahanay niasa akaiky. Izy dia olona tena tsotra, mora mifandray aman’olona ary mora hiaraha-miasa, na dia be hanihany aza. Izy dia mijoro amin’ny fahamarinanana sy mahitsy amin’ireo famakafakana sy fomba fijery mivatambatana fanaony. Tsy manao tora-po izy fa misy famakafakana lalina mandrakariva ny soratra sy fanehoan-kevitra ataony. Tia mizara traikefa izy

ANDRIANTSIMAROFY Benjamin

Responsable juridique MSIS Tatao

Ampahatsiahivina ary fa nodimandry omaly 30 marsa 2021 Itompokolahy NDRIANDAHY Mahamoudou, filohan’ny PFNOSCM rehefa notsaboina teny amin’ny Hopitaly Manarapenitra eny Anosiala Ambohidratrimo nandritry ny fotoana fohy ary lavon’ny Covid-19. Maneho ny fiombona alahelo amin’ny fianakaviana manontolo sy ny Fianakaviamben’ny Firaisamonim-pirenena ny tenenay amin’izao nahafolaka ny andry niankinana izao. Andriamanitra irery ihany no tena manana ny fampiononana feno koa samia manankina ny ho aviny Aminy.

RAM

Laisser un commentaire